<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Mba henoy ny feon'i Jeso,
 Ry mpanota very ô !
 Atsaharo re ny ota,
 Izay mamery aina anao ;
 Jeso Tompo no miantso,
 Aoka tsy ho lavinao ;
 Dieny mbola re ny antso,
 Manatòna hianao.

[V2]
 Izao no tenin'ny Mpamonjy
 Izay lazainy aminao :
 &quot; Manatòna Ahy, Vonjy
 Sy Mpamela helokao ;
 Izaho, Tompo feno antra,
 Hanome anao ny soa,
 Ka ny helokao rehetra
 Dia ho afaka tokoa &quot;

[V3]
 Izaho koa no Vavahady
 Izay hidiranao izao,
 Sady Lalan-toratady
 Izay mankao an-danitra ao ;
 Izaho dia Mofon'aina
 Sady Raon'aina koa ;
 Tsy mba misy miala maina
 Izay rehetra tia tokoa.

[V4]
 Indro, efa maty Aho
 Hanavotako anao ;
 Moa tsy hatolotra Ahy
 Ny fanahinao izao ?
 Ry mpanota ! mihevera,
 Aoka izay ny ditranao,
 Manatòna, manatòna
 Ahy, Jeso Avotrao.</lyrics>
<title>Mba henoy ny feon'i Jeso FFPM370</title>
<hymn_number>370</hymn_number>
<author>G.C. Stebbins</author>
</song>